Amin'ny Lalana Vaovao sady Velona

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Fitoeran'ny Famindram-po dia ny seza fiandrianan'ny famindram-pon'Andriamanitra, toeram-piombonana izay nitoeran'ny voninahiny ary nanaronana ny lalàna izay nodikaina. Amin'ny alalan'ilay lalana vaovao sy velona ao amin'i Jesosy, dia asaina isika izao hiditra ao amin'ny Toerana Masina Indrindra ary hanatona an'Andriamanitra.
Ny hany fanaka tao amin'ny Fitoerana Masina indrindra, araka ny lamin'Andriamanitra, dia ny fiaran'ny fanekena, izay boaty natao amin'ny hazo akasia ary voarakotra volamena. Nantsoina hoe toeram-pamindram-po, na toeram-pampihavanana ny sarony. Tao anatiny no nisy ny takela-bato roa misy ny Didy Folo, saingy voasaron’ny toeram-pamindram-po ireo, izay mampiseho fa noho ny fampihavanana nataon’i Kristy ho antsika, ilay lalàna nodikaina (ny Didy Folo nodikaina) dia voarakotra tamin’ny Fampihavanany. Nisy kerobima teo amin’ny andaniny roa amin’ny rakotra toeram-pamindram-po. Nifanatrika ny kerobima roa, nibanjina ny afovoan’ny rakotra toeram-pamindram-po ary nivelatra teo amboniny ny elany ary nipaka teo afovoan’ny rakotra toeram-pamindram-po ny tendron’ny elany.
Ilay toeram-pamindram-po dia seza fiandrianan’Andriamanitra — mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny famindram-po izay manarona ny lalàna voadika Izy. Ny kerobima roa mifampibanjina ny tarehiny, mikasika ny tendron’ny elatr’izy ireo, mampiseho ny toerana fiombonana. Noho izany, toerana feno famindram-po sy toeram-piombonana izany — fa seza fiandrianana koa, seza fiandrianan’Andriamanitra izay Mpanjaka.
Tao anatin’izany fanaka izany dia tsy nisy sarin’Andriamanitra Tenany mihitsy, izay voarara ho an’ny Isiraelita. Saingy niditra tokoa Andriamanitra ary naka ny Toerany teo amin’izany seza izany tamin’ny endriky ny voninahitra shekinah — ny fanatrehan’Andriamanitra tsitoha, hita maso. Tao anaty haizina tanteraka ny Fitoerana Masina Indrindra; tsy nanana hazavana voajanahary na artifisialy izy io. Fa rehefa tonga ny fanatrehan'Andriamanitra shekinah, dia naka ny Toerany teo amin'ny seza fiandrianana Andriamanitra.
Ao amin’ny Hebreo 10 isika dia asaina ao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra mba “manatona an’Andriamanitra” Asaina isika handray ny toerany miaraka amin’i Kristy eo amin’ny seza fiandrianana. Tokony ho tonga amin’ny “làlana vaovao sady velona” isika (andininy 20). Io làlana vaovao sady velona io dia Jesosy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka manatona Anao amin’ny ran’i Jesosy aho. Manambara aho fa tonga ao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra amin’ny alalan’i Jesosy aho, “ny lalana vaovao sady velona”. Hanatona ny Fitoerana Masina Indrindra aho,amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-317-MLG









