In-fito

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fombafomba tamin'ny Andron'ny Fanavotana ao amin'ny Testamenta Taloha dia mirakitra faminaniana mahavariana momba ny Hazofijaliana. Manambara izany ny fomba nampisehoan'ny asan'ny mpisoronabe mialoha ireo fotoana fito voafaritra tsara izay handatsahan'i Jesosy ny rany manokana mba ho tonga sorona tonga lafatra ho an'ny fahotantsika.
Ny Testamenta Taloha dia mijery mialoha ny fomba nandoavana ny sarany sy nanaovan’i Jesosy ny sorona farany. Hita ao amin’ny toromariky ny Andro Fanavotana izany, izay voafaritra amin’ny antsipirihany ao amin’ny Levitikosy 16. Indray mandeha isan-taona ihany no tokony handehanan’ny mpisoronabe ao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra, dia ny Masina Indrindra .Tsy maintsy nitondra zavatra roa izy: lovia fandoroana ditin-kazo manitra feno hanitra, izay nanao rahona manitra izay nanarona azy sy ny toeram-pamindram-po, ary ny ran’ny fanatitra, natao ho an’ny tenany
Rehefa niditra tao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra, àry izy dia tsy maintsy namafy ny ra im-pito teo anelanelan’ny efitra lamba faharoa, izay nidirany, sy ny lafiny manoloana (na atsinanana) tamin’ny toeram-pamindram-po. Noho izany, dia nisy famafazana ra im-pito àry tany am-boalohany. Mino aho fa ity dia santatra ara-paminaniana marina hita amin’ny fomba namafazan'i Jesosy ny Rany teo amin'ny làlana mankany amin'ny hazo fijaliana, ary koa teo amin'ny hazo fijaliana. Ny isa fito dia manondro ny asan’ny Fanahy Masina — izany no isan’ny fahafenoana, na fahatanterahana, izay manondro asa tonga lafatra. Ny famafazana ara-paminaniana dia tanteraka tokoa tamin’ny fomba nandatsahan’i Jesosy ny Rany: nandatsaka ny Rany im-pito Izy talohan’ny nahatanterahan’ny fanatitra..
Tao anatin’io fandatsahana fito heny io, dia foana ny ra tamin’ny vatan’i Jesosy. Nandatsaka ara-bakiteny ny Ainy ho amin’ny fahafatesana Izy tamin’ireto dingana ireto:
- Nanjary ra ny Hatsembohany (jereo, ohatra, ny Lioka 22:44);
- Nokapohiny tamin'ny totohondry sy tsorakazo ny Tavany (jereo ohatra ny Lioka 22:63–64);
- Nikapoka Azy tamin'ny karavasy Romana izy ireo (jereo, ohatra, ny Lioka18:33);
- Nosintonina ny Volombavany (jereo Isaia 50:6);
- Nosatrohana tsilo ny hodi-Dohany (jereo, ohatra, ny Matio 27:29);
- Nolefonina tamin’ny fantsika ny Tanany sy ny Tongony (jereo, ohatra, ny Jaona 20:25); ary,
- Nolefonina tamin'ny lefona ny Lanivoany (jereo ny Jaona 19:34).
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka manatona Anao amin’ny ran’i Jesosy aho. Manambara aho fa tamin’ny famafazana ny Rany im-pito no nanatanterahan’i Jesosy ny sorona. Hanatona ny Fitoerana Masina Indrindra aho,amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-320-MLG









