Ny Maha-zava-dehibe ny Fanantenana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny finoana sy ny fitiavana no fototry ny fiainana kristiana, kanefa tsy afaka mivoatra tanteraka izy ireo raha tsy eo ny herin'ny fanantenana izay matetika tsinontsinoavina. Fantaro ny fomba ambaran'ny Fanahy Masina izany fahamarinana lehibe izany amin'ny alalan'ny Soratra Masina, izay manolotra tena fiainana ho an'ny tontolo feno famoizam-po.
Ny ankamaroan’ny Kristiana dia nandre fitoriana betsaka momba ny finoana sy ny fitiavana, kanefa, amin’ny toe-javatra maro, dia zara raha nahare momba ny fanantenana izy ireo. Toy izany ny toe-javatra niainako taona maro lasa izay rehefa diso fanantenana aho dia nila fanampiana avy amin’Andriamanitra. Efa nandre hafatra maro ny amin’ny finoana aho ary ny sasany nitory ny amin’ny fitiavana; fa ny zavatra nilaiko tamin’io toe-javatra manokana io dia ny fanantenana, ary ny Fanahy Masina dia tsy maintsy nitondra ahy mivantana tao amin’ny Soratra Masina satria tsy mbola nandre toriteny momba ny fanantenana aho. Teo no nanomezan’ny Fanahy Masina izay nilaiko. Noho izany antony izany dia manahy manokana aho fa takatry ny olona ny maha zava-dehibe ny fanantenana. Tiako ho azonao ny atao hoe fanantenana, ny maha zava-dehibe an’izany, ary ny fomba hanànanao izany.
Ilaina ny fanantenana raha tiantsika ny hihazona ny finoana sy ny fitiavana. Raha tsy manana fanantenana isika, ny finoantsika dia “hitete hivoaka” ary ho levona ny fitiavantsika. Tsy safidy ny fanantenana; tena ilaina amin’ny fahafenoan’ny fiainan’ny Kristiana izany.
Matetika ny olona no miteny hoe, "Izay misy fiainana, dia misy fanantenana." Heveriko fa misy fahamarinana tsara ao amin'io fanambarana io. Ny mifanohitra amin’izany koa anefa dia marina: Izay misy fanantenana, dia misy fiainana — ary raha tsy misy fanantenana, dia tsy misy fiainana. Araka ny hevitro, ny tsy fanànana fanantenana dia iray amin'ireo toe-javatra mampalahelo indrindra amin'ny traikefan’olombelona. Tsy afaka mieritreritra zavatra mampalahelo kokoa noho ny tsy fanànana fanantenana aho.Kanefa, tsy tambo isaina ny olona tsy manana fanantenana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Rehefa mipetraka eny amin'ny seranam-piaramanidina aho, na mandeha tongotra, na misakafo ao amin'ny trano fisakafoanana, ary mijery ny endrikin’ny olona hafa, dia hitako fa maro amin'izy ireo no manana fijery foana tsy misy fanantenana. Saingy, misaotra an'Andriamanitra, tsy mila kivy isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa mahatoky Ianao — manome fanantenana ahy Ianao. Manambara aho fa izay misy fanantenana, dia misy fiainana. Hihazona ny fiekeko aho ka tsy hihozongozona, amin’ny anaran’i Jeosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-323-MLG









