Resy Lahatra Tanteraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Niatrika ny zava-misy tsy ho vita mihitsy teo amin'ny taonany sy ny taonan'i Saraha i Abrahama, nefa tsy nety niozongozona izy teo anatrehan'ny teny fikasan'Andriamanitra. Isika koa dia afaka manaraka ny ohatra nomeny amin'ny alalan'ny fitanana mafy ny fiekem-pinoantsika sy ny fijerena mihoatra noho izay lazain'ny fandrenesantsika, any amin'ilay Mpisoronabe mahatoky antsika.
Mifandray amin’io foto-pitsipika momba ny fanaovana ny fiekena marina io sy ny fihazonana azy mafy tsy hihozongozona, dia tiako ny hijery ny ohatr’i Abrahama, araka ny nanehon’i Paoly azy. I Abrahama dia iray amin’ireo ohatra tsara indrindra momba ny olona iray izay nifikitra mafy tsy nihozongozona. Araka ny nosoratan’i Paoly:
"Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha." (Romana 4:19)
Ny tena finoana dia miatrika zava-misy. Ny toe-tsaina rehetra tsy te hijery ny zava-misy dia tsy tena finoana. Tsy nitady hamita-tena i Abrahama; tsy nieritreritra zavatra hafa noho ny araka izay izy tokoa izy. Hitany tamin’ny fahatsapany fa efa maty toy ny kibon’i Saraha vadiny ny vatany. Tsy natoky ny fahatsapany fotsiny anefa izy. Nanohy ny teniny i Paoly:
"Ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho ‘fahamarinany izany.’” (Romana 4:20–22)
Antsoina hoe “rain’izay rehetra mino” i Abrahama (Romana 4:11), ary ampirisihina isika hanaraka ny dian’ny finoan’i Abrahama (jereo ny andininy 12). Takiana amintsika ny mba handeha amin’io lalan’ny finoana io. Takiana amintsika ny mba hifikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, hanao ny fiekena, hihazona mafy ny fiekena tsy hihozongozona isika, mandà tsy ho voasakana amin’izay ambaran’ny fahatsapantsika, ary hijery mihoatran’ny zavatra hita maso, mijery tsara any amin’ny tontolo tsy hita maso, amin’ny finoana, ny Mpisoronabentsika mahatoky, eo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa mahatoky Ianao — manome fanantenana ahy Ianao. Manambara aho fa miatrika ny zava-misy tsy mihozongozona amin'ny tsy finoana aho. Hihazona ny fiekeko aho ka tsy hihozongozona, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-326-MLG









