Tsy maintsy manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny finoana isika. Lazaiko aminao izay nolazain’i Jesosy tamin’i Petera:

"Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao" (Lioka 22:32)

Ny finoana no fototra takiana amin’ny maha zanak’Andriamanitra sy ny maha zanak’i Abrahama, dia izay “ ho rain’ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ny finoan’i Abrahama razantsika koa, izay nànanany fony izy tsy mbola voafora.” (Romana 4:12). Tsy endrika fotsiny i Abrahama — fa modely izy. Nandroso izy, nametraka ny làlana, ary nanao dingana sasany. Raha te ho tena taranany isika, dia tsy maintsy mandeha amin’io lalana io, sy manaraka ny diany. Andeha hojerentsika ireo dingana dimy amin’ny finoan’i Abrahama:

  • Nanaiky ny teny fampantenan'Andriamanitra tamin'ny finoana irery ihany izy, tsy nisy porofo;
  • Nanaiky izy fa tsy afaka mamokatra samirery ny vokatra;
  • Nifantoka tamin'ny teny fampanantenana tsy nihozongozona izy, ary nisaina ho fahamarinany izany finoana izany;
  • Vokatr'izany, dia samy nandray fiainana mihoatra ny natoraly tao amin'ny vatany i Saraha sy izy; ary,
  • Dia, tanteraka ny teny fampanantenana, ary nomena voninahitra Andriamanitra.

Izany no dian'ny finoan'i Abrahama razantsika — dia ny làlan'ny finoana izay apetraka eo anoloantsika tsirairay avy. Tsy karazana fepetra ivelany akory izany fa fandehanana amin’ny finoana mandritra ny androm-piainana, manaraka ny dingan’i Abrahama. Tsy maintsy manao toa an’i Abrahama isika. Tsy maintsy manaiky ny fampanantenan’Andriamanitra araky ny maha izy azy isika. Tsy maintsy miaiky isika fa tsy mahavita mamokatra izay nampanantenain’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy mifantoka amin’ny fampanantenana isika fa tsy amin’ny fahafahantsika — na ny tsy fahafahantsika. Ary avy eo, dia handray ny fahasoavana sy ny herin’Andriamanitra mihoatra ny natoraly navotsotra eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny finoantsika isika. Amin’izany fomba izany, no hahatanterahan’ny teny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.