Mamoaka ny tsara indrindra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Maro ny olona voafandrika ao anatin'ny fonjan'ny fitiavan-tena, nefa ny Tenin'Andriamanitra dia mampiseho fomba mahery vaika hahitana fiadanana marina sy fanafahana. Ianaro ny fomba fiahiana ireo mpiara-mino aminao sy ny famporisihana azy ireo ho amin'ny fitiavana sy ny asa tsara, izay fanalahidy hivoahana amin'izany fahababoana izany.
"Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24–25)
Hojerentsika izao ny dingana fahavalo “Andao isika” ao amin’ny Hebreo, hita ao amin’ilay andalana etsy ambony. Misy fandikan-teny anglisy milaza hoe: “Andao isika hifampandinika ho amin’ny fifampaherezana.” Kanefa nifamadika ny rafitra raha amin’ny Grika tany am-boalohany, izay mivaky toy izao, “Aoka isika hifampandinika, handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” Ity fandikana ity dia mitondra ny votoatin'ny fanapahan-kevitra amin'ity herinandro ity mba handinihana ny hafa. Tokony hifampihevitra isika, ka hiezaka hatrany hitondra ny tsara indrindra ao anatin’ny tsirairay avy.
Olona maro ankehitriny no voahidy ao amin'ny fonjan’ny fifantohana amin’ny tena. Tsy tena faly mihitsy izy ireo; tsy mankafy ny tena fiadanana mihitsy izy ireo. Raha ny marina, arakaraky ny fanahianao sy ny fikatsahanao ny hampifaly ny tenanao, no vao mainka manana olana. Ny fomba iray ahafahana mivoaka avy ao amin’io fonja io dia ny fitsaharan’ny fanahiana momba ny tenanao mandrakariva. Atsaharo ny fanahiana momba ny tenanao fa manomboha mandinika ny mpiray finoana aminao.
Isika dia tokony hanaraka ny ohatr’i Jesosy sy hiaina ny fananaran’i Paoly hoe:
"Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao. (Filipiana 2:3–5a)
Ny mifanohitra amin'ny fiheverana ny hafa dia ny fijerena ny "mahasoa anao manokana." Ny fanafahana dia avy amin'ny alalan’ny fiahiana bebe kokoa momba ny hafa noho ny momba ny tenanao.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa manampy ahy mitia ny hafa Ianao. Manambara aho fa miahy ny momba ny hafa noho ny momba tenako aho. Hihevitra ny hafa aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-330-MLG









