Ny Fanafoanantsika ny Tenantsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Ny toe-tsaintsika amin’ny hafa dia tena ny toe-tsaintsika amin’ny Tompo mihitsy. Fantaro ny fomba anomezan’ny fanahafana ny fon’i Kristy feno fahafoizan-tena, Ilay tonga mpanompo, hery antsika hanompoana an’Andriamanitra marina tokoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny olony amim-pitiavana.
Ao amin’ny Filipiana 2, dia nilaza i Paoly fa mila manaraka ny ohatr’i Jesosy isika. Lazaiko foana fa ny toe-tsaintsika no mamaritra ny fomba fiasantsika, ary ny fomba fiasantsika no mamaritra ny vokany. Toy izao ny toe-tsaina tokony hokolokolointsika:
"Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona.” (Filipiana 2:5–7)
Ny teny Grika nadika hoe “mpanompo” dia midika ara-bakiteny hoe “andevo”.Noho izany, dia hitantsika àry fa i Jesosy, izay Tompon’ny rehetra, dia nanafoana ny Tenany ary vonona ny ho tonga manompo, ho andevo. Tsy maintsy manahaka ny toe-Tsainy isika.
Nanoratra andinin-teny tsara tarehy, mifanitsy amin'ny Galatiana i Paoly:
"Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany [aza manome fahafaham-po ny filan’ny nofonareo], fa mifanompoa amin'ny fitiavana. Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao".’” (Galatiana 5:13–14).
Ny fijerena any ivelany mankany amin’ny hafa no fomba ahafahantsika manafaka ny tenantsika amin'ny fanararaotana ny maha-nofo antsika na ny fanekena ny fitiavan-tena. Tokony hifanompo amim-pitiavana isika. Mino aho fa ny Fanahy Masina dia manantitrantitra io fihetsika feno fitiavana, toe-tsaina tsy misy fitiavan-tena amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. Maro ny olona miresaka momba ny fanompoana an’i Jehovah nefa tsy manompo ny mpiray finoana aminy mihitsy. Tsy fantatro hoe hatraiza ny tena fahafahanao manompo ny Tompo raha tsy vonona hanompo ny mpiara-manompo aminao ianao, satria ny Tompo dia tonga amintsika ao amin’ny mpikambana amin’ny Tenany. Ny toe-tsaintsika amin'ireo mpikambana ireo dia tena toe-tsaintsika manoloana ny Tompo Tenany mihitsy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa manampy ahy mitia ny hafa Ianao. Manambara aho fa manompo ny mpiray finoana amiko ho toy ny fomba fanompoana ny Tompo. Hihevitra ny hafa aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-331-MLG









