Ny fitakiana iray manandanja amin'ny fihazakazahana ny hazakazaka mahomby dia ny fanànana toe-tsaina marina. Io fahamarinana io dia ahitana ohatra ao amin’ny tenin’i Paoly rehefa niresaka momba ny fifandraisany tamin’i Jesosy Kristy izy:

"Mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.” (Filipiana 3:10–11)

Mànana tanjona manokana i Paoly. Tsy nihazakazaka eo tsy nisy tanjona izy. (Jereo ny 1 Korintiana 9:26.) Nanana tanjona teo anoloany izy. Fantany ny tanjona, izay mamaritra ny toe-tsainy. Notohizany:

“Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.” (andininy 12)

Ny fahitan'i Paoly dia Kristy nihazona azy noho ny fikasana iray; ny fanatanterahana izany fikasana izany dia midika fa tsy maintsy mifandray amin'io fikasana io izy. Tsy maintsy mamaritra izy fa ny fikasan’i Kristy no ho fikasany.

“Ry rahalahy, tsy mbola ataoka fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.” (andininy 13–14)

Mipoitra indroa ilay teny hoe “miezaka aho”, indray mandeha eo amin’ny andininy 12 ary indray mandeha eo amin’ny andininy 14. Izany no toe-tsaina ilaintsika horaisina amin’i Paoly: “Miezaka aho. Manana tanjona aho. Mbola tsy tonga aho, fa fantatro izay alehako.” Tamin’ny fotoana farany nampiasan’i Paoly an’io fehezan-teny io, dia hoy izy: “Miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” Misy valisoa ho an’izay mahavita ny hazakazaka. Ataovy ao an-tsaina foana ny tanjona, mba tsy te ho very ireo valisoa notendren’Andriamanintsika.