Ny Dingan’ny Faharetana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ambaran’ny Baiboly fa manana tanjona lehibe eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fahoriana mahazo antsika ankehitriny. Ianaro ny fomba ampiasany ny fahasahiranana mba hamolavolana faharetana sy toetra voazaha toetra, izay manome antsika fanantenana tsy mandiso fanantenana.
Andao isika hihevitra toro lalana tsotra hanampy antsika hamboly faharetana, ka hamaky aloha izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Romana 5:1–2:
"Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra."
Faly isika nohon’ny amin’izay mbola hoavintsika. Nanohy ny teniny i Paoly fa tsy ny fahazavan’ny hoavy ihany no ifaliantsika, fa ny zavatra atolotry ny ankehitriny koa:
“Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.” (andininy 3–4)
Ampiasain’ny andininy faha 3 ny teny hoe “voninahitra”, ny teny Grika tany am-boalohany dia midika hoe “mifaly, mirehareha, na miravoravo.” Tokony hifaly amin’ny fahoriana isika noho izay ataon’ny fahoriana. Hoy ny Baiboly New American Standard,“Ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana dia toetra voazaha toetra; ary ny toetra voazaha toetra dia, fanantenana.” Ny faharetana dia miteraka toetra voaporofo ao anatintsika. Izany no fon’ny faharetana — toetra efa voasedra. Araka ny nosoratan’i Paoly:
"Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika" (Romana 5:5)
Ny fitiavana dia resaka toetra. Amin'ny ankapobeny, dia miatrika ny fananganana ny toetrantsika isika. Faly isika amin’ny fahoriana, satria ny fahoriana ihany no miteraka faharetana. Ary ny faharetana dia miteraka toetra voaporofo. Fantatro ireo lehilahy niarahako nandeha sy nizara fahasahiranana, fanoherana, fanehoan- diso, ary tsy fifankahazoana. Fa ankehitriny, amiko, ny toetrany dia voaporofo; fantatro fa afaka matoky azy ireo aho. Eo anivon'ny famadihana sy ny fandikan-dalàna, dia tiako ho fantatra hoe iza no azoko itokiana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, ny amin’ny fanampiana ahy “hiezaka”. Manambara aho fa mifaly amin'ny fahoriana izay mamokatra ny toetra sy ny fanantenana ilaiko hamitana ny hazakazaka. Hihazakazaka ny fihazakazahana amin'ny faharetana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-342-MLG









