Fitondrana ny Latsany

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nandroaka an'i Jesosy izao tontolo izao, ary amin'ny maha-mpanaradia Azy antsika, dia voantso isika mba hivoaka hanatona Azy sy handray an-tsitrapo ny fanilikilihana nihatra taminy. Tsy ity tontolo ity no tanjona farany halehantsika, satria mitady ilay tanàna maharitra isika, izay ho fonenantsika tokoa amin'ny farany.
Ny fanapahan-kevitra faha-iraika ambin'ny folo hoe “Andao isika” ny Hebreo dia ao amin'ny toko faha-13:
"Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. Fa ety isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” (Hebreo 13:12–14)
Ity andalana ity dia miresaka ny amin’ny toe-tsaintsika sy ny fifandraisantsika amin'ity tontolo ankehitriny ity. Izy io dia milaza amintsika fa tsy eto amin'ity tontolo ity ny tranontsika. Tsy manana toerana maharitra eto amin’ity tontolo ity isika. Nandà an’i Jesosy izao tontolo izao. Nandroaka Azy hiala ny tanàna izany ka nanombo Azy teo ivelan’ny vavahady.
Ny Soratra Masina dia manantitrantitra hatrany ny zava-niseo fa teo ivelan’ny mandan’ny tanàna ny fanomboana an’i Jesosy. Nolavina i Jesosy. Nesorina tamin’ny fiaraha-monina Izy; tsy tia Azy izao tontolo izao. Ary ny fomba nitondran’izao tontolo izao an’i Jesosy, na ho ela na ho haingana, ary amin’ny fomba iray na hafa, dia ho fomba hitondran’izao tontolo izao anao sy izaho, amin’ny maha-mpino. Tsy maintsy vonona ny hivoaka ho any Aminy isika — ho amin’ny toerana fanomboana, fandavana ary henatra — fitondrana ny Latsany avy Aminy. Any amin’ny toeran-kafa ao amin’ny Hebreo, dia milaza fa ny latsa an’i Kristy dia lehibe noho ny haren’i Egypta rehetra (jereo ny Hebreo 11:26). Noho izany, dia tonga voninahitra ho antsika ny Latsany.
Avy eo, dia nanome tsara indrindra toy izao ilay mpanoratra: “Fa ety isika tsy manana tanàna maharitra”. Mety hihevitra ny olona fa maharitra ity tontolo ity, nefa fantatsika fa tsy izany. "Fa ny tanàna ho avy no tadiavintsika." Tiako ity dikanteny ity satria milaza ny tanàna. Misy tanàna iray manokana izay toerana haleha sy fonenan'ny mpino marina rehetra. Ao no tena misy antsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miantso ahy hiala amin’ity tontolo ity Ianao. Manambara aho fa vonona ny hivoaka ho any amin’i Jesosy “eny ivelan’ny mandan’ny tanàna” aho, mitondra ny Latsany. Hivoaka hanatona Azy eo ivelan'ny toby aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-351-MLG









