Tanàna Efa Nomaniny

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Ireo olo-masina nahatoky tao amin’ny Testamenta Taloha dia nihevitra ny tenany ho vahiny teto an-tany, sady niandrandra hatrany ny fonenany any an-danitra. Rehefa mampifantoka ny fanantenantsika amin’ilay tanàna mandrakizay nomanin’Andriamanitra isika, dia tsy menatra Izy hatao hoe Andriamanitsika.
Ao amin'ny toko faha-iraika ambin'ny folo amin'ny Hebreo, ny mpanoratra dia nitanisa karazana horonam-boninahitra an'ireo olo-masina mahatoky maro ao amin'ny Testamenta Taloha. Dia, hoy izy:
"Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tety ambonin’ny tany izy. Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy. Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany. Fa amin’izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa namboatra tanàna ho an’ireo Izy. (Hebreo 11:13–16).
Ireo mpihazakazaka amin’ny finoana ireo — lehilahy sy vehivavy izay ohatra ho antsika amin’ny fomba maro — dia niaiky fa vahiny sy sesitany teto an-tany izy ireo. Tsy tena anisan’izy ireo izy ireo; nitady ny tanàna izay azy izy ireo.
Betsaka ny mpitsoa-ponenana eto amin'izao tontolo izao ankehitriny izay mandalo fahoriana noho ny tsy fananana toerana maharitra ho azy. Nitady toerana ho azy koa ny olona tao amin’ny Hebreo, — nefa tsy teto amin’ity tontolo ity. Raha naniry izany izy ireo, dia afaka niverina tany amin’ny toerana niaviana. Afaka niverina tany Oran’ny Kaldeanina, ohatra, i Abrahama. Nefa nandroso ny sainy; tsy mijery miheotra izy. Naniry tanàna tsara lavitra izy ireo — dia ilay any an-danitra. Avy eo, dia namaky an’ilay fehezanteny kanto isika, manao hoe: “Noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hantsoina hoe Andriamaniny.” Rehefa manamarina ny tenantsika amin’Andriamanitra isika — amin’ny fanomanany ny tanàna ho antsika — dia mirehareha amin’ny maha-Andriamanitsika Azy Izy. Nanomana tanàna Izy — ho azy ireo, ho antsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miantso ahy hiala amin’ity tontolo ity Ianao. Manambara aho fa vahiny sy mpivahiny eto amin’ity tany ity, mitady ny tanàna izay nomanin’Andriamanitra ho ahy. Hivoaka hanatona Azy eo ivelan'ny toby aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-352-MLG









