Ny Mariky ny Fisarahana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Nampitandrina i Jesosy fa ho halan'izao tontolo izao ny mpanaraka Azy satria efa nifidy azy ireo hiala tamin'izao tontolo izao Izy, koa aza gaga raha mahatsapa ianao fa tsy anisan'izao tontolo izao intsony. Ny tena fiadanana dia hita amin'ny alalan'ny fireharehana amin'ny Hazofijalian'ny Tompontsika ihany, dia Ilay efa nandresy izao tontolo izao sy nanome antoka ny fandresentsika ao Aminy.
Ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, Jesosy dia namoaka izao fanambarana izao:
"Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman'izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao hianareo. (Jaona 15:18–19)
Rehefa “tia antsika tahaka ny azy” izao tontolo izao, dia famantarana azo antoka izany fa tsy an’i Jesosy isika. Mila mitandrina izany fampitandremana izany isika. Ahoana ary, no tokony, toe-tsaintsika amin’izany? Naneho izany tsara i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:14:
"Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa raha ny amin'izao tontolo izao."
Aoka isika tsy hirehareha na hatoky na inona na inona afa-tsy ny hazo fijalian'ny Tompo. Tsy eo amin’ny fanabeazana, na ny fivavahana, na ny antokom-pinoana — tsy misy amin’ireo zavatra ireo. Ao amin’ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy Tompo ihany no ahafahantsika mirehareha, tsy misy atahorana izay nahazoan’i Jesosy fandresena tanteraka, maharitra, tsy azo ivalozana amin’ny herin’ny ratsy rehetra. Tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana dia, “izay naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa raha ny amin'izao tontolo izao." Ny hazo fijaliana no mariky ny fisarahana eo amin’ny olon’Andriamanitra sy izao tontolo izao. Rehefa manaiky ny fitsipiky ny hazo fijaliana eo amin’ny fiainantsika isika dia tsy anisan’izao tontolo izao intsony. Jesosy dia nanome antsika izao fampanantenana fandresena mahafinaritra izao:
"Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33)
Hisy fikorontanana isika — fa Jesosy efa naharesy izao tontolo izao! Amin’ny Alalany, koa, no ahafahantsika mandresy an’izao tontolo izao, raha toa ka vonona ny handeha ho any Aminy isika —eny ivelan’ny toby, fitondrana ny Latsany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miantso ahy hiala amin’ity tontolo ity Ianao. Manambara aho fa manaiky ny hazo fijaliana ho mariky ny fisarahana eo amin’ny olon’Andriamanitra sy izao tontolo izao — izao tontolo izao izay tsy misy ahy intsony. Hivoaka hanatona Azy eo ivelan'ny toby aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-354-MLG









