Manaiky ny "Sandrin'ny Tompo"

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Taonjato maro talohan'ny nandehanan'i Jesosy teto an-tany, ny mpaminany Isaia dia efa nanambara mialoha fa ho sarotra amin'ny olona ny hino ny filazana momba Azy. Tanteraka izany fampitandremana fahiny izany rehefa maro no nanda an'i Kristy na dia teo aza ny fahagagana nataony, ka miantso antsika ho amin'ny finoana izay matoky ny Mpamonjy tenany, fa tsy ny famantarana ataony fotsiny ihany.
Ny Isaia 53 dia manomboka amin'ny fampitandremana momba ny loza mety hitranga amin'ity hafatra ara-paminaniana ity, izay nomen'Andriamanitra an'i Isaia, dia ho hitan'ny maro amin'ny tsy finoana:
"Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?” (Isaia 53:1)
Ny Mpanompon’ny Tompo, izay voalaza ao amin’ny andininy teo aloha (jereo ny Isaia 52:13–15) ary nambara mialoha ao amin’io faminaniana io, dia voalaza ao amin’io andininy etsy ambony io hoe “ny sandrin’i Jehovah.” Io andian-teny io dia manondro ny herin’Andriamanitra miditra antsehatra hoan’ny Olony. Nasehon’izy io mialoha fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tenany mihitsy, no hiditra an-tsehatra hitondra famonjena ho an’ny Olony Andriamanitra. Tanteraka tamin’i Jesosy izany rehetra izany. Tonga Izy hanambara an’Andriamanitra sy hitondra ny Famonjeny sy ny Fanasitranany amin’ny olona rehetra. Namintina izany i Petera, izay nanatri-maso ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany:
"Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy." (Asan'ny Apostoly 10:38)
Mampihatra mivantana ny faminanian’i Isaia amin’i Jesosy ny filazantsaran’i Jaona:
"Nefa na dia efa nanao izany famantarana [fahagagana] betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: ‘Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?’” (Jaona 12:37–38)
Tsy maintsy mifikitra mafy amin’ny finoantsika Azy nanatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha isika. Na dia ny maro tamin’ireo izay nanatri-maso mivantana ny fahagagana nataon’i Jesosy aza dia tsy nino. Andao isika tsy mangataka famantarana sy zava-mahagaga, izay tsy miantoka ny finoana, fa andao isika hihazona ny finoana an’Ilay nahazo ny famonjena antsika, dia ny fahagagana lehibe indrindra amin’ny rehetra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miantso ahy hiala amin’ity tontolo ity Ianao. Manambara aho fa na dia maro tamin’ny olon’i Jesosy aza no nanda Azy, dia mandray Azy ho “ny sandrin’i Jehovah” izay mitondra famonjena aho. Hivoaka hanatona Azy eo ivelan'ny toby aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-356-MLG









