Ny Isaia 53:2 dia manome filazalazana ara-paminaniana ny amin’ireo taona voalohany niainan’i Jesosy teto an-tany:

"Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.”

Hatramin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahalehibeazany, dia nitombo toy ny zava-maniry mafy orina i Jesosy, mahitsy sy natahotra an'Andriamanitra tamin'ny Lalany rehetra. Izany zava-misy izany koa dia voalaza ao amin’ny Lioka 2:40:

“Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy”.

Tamin’izany fotoana izany, dia “faka amin’ny tany maina” i Jesosy. Tonga ho irak’Andriamanitra ho an’ny Isiraely izy tamin’ny vanim-potoan’ny fahantrana ara-panahy naharitra. Tsy nandray fanambarana ara-paminaniana i Isiraely nandritra ny efa ho telon-jato taona. I Jaona Mpanao Batisa no namaky io fahanginana ara-paminaniana io, avy eo Jesosy Tenany, izay samy nanambara ny fiavian’ny fanjakan’Andriamanitra.


Jesosy dia tsy nanana famirapiratana ivelany manokana izay hanambara ny tena maha Izy Azy amin’ny olona. Tsy nisy zavatra hita tao Aminy afa-tsy ny zanak’i Josefa mpandrafitra (jereo ny Matio 13:54–55). Rehefa nanaiky Azy ho Mesia sy Zanak’Andriamanitra i Petera, dia nilaza i Jesosy fa tsy tamin’ny alalan’ny fahatsiarovan-tenan’i Petera no nahatongavan’io fanambarana io; fa kosa, Andriamanitra Ray no nanome azy izany (jereo ny Matio 16:17). Mitohy ny faminaniana:

"Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; Lehilahy ory [fanaintainana] sady zatra ny fahoriana [aretina], ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.” (Isaia 53:3)

Tsy nitady sitraka tamin'ny mpanankarena i Jesosy. Nanokana ny Tenany, tsy an-kijanona kosa Izy mba hanampiana ny mahantra sy ny mijaly. Niatrika fanaintainana sy aretina Izy, tamin’ny farany dia nitondra teo amin’ny Tenany fanaintainana sy ny aretin’ny taranak’olombelona manontolo. Nihantona teo amin’ny hazo fijaliana tamin’ny henatra sy ny fahoriana Izy, ka tonga “tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy” (Isaia 53:3).