Fiderana Mifindrafindra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Tamin’ny fotoana nandosirany mba hamonjy ny ainy sy nody adala, ny Mpanjaka Davida dia nanao safidy hentitra hitahy ny Tompo amin’ny fotoana rehetra. Ny ohatra nasehony dia mampiseho amintsika fa ny fanolorana fanatitra fiderana, na dia amin’ny fotoana tsy ananantsika na inona na inona aza, no tena ankalazantsika an’Andriamanitra sy anasantsika ny hafa hifaly.
Andao hojerentsika ny ohatr’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo faha-34. Hoy ny teny fampidirana an’io salamo io, “Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka [na Akisy], dia noroahiny ka lasa nandeha”. Nandositra niala tany amin'ny taniny i Davida, tamin'io fotoana niainany io. Niezaka hamono azy i Saoly Mpanjaka, ka voatery niala tamin’ny manodidina ny fianakaviany i Davida.
Nankany amin’ny kianjan’ny mpanjaka Jentilisa iray izy mba hialokaloka, nefa niahiahy azy ho fahavalo ny mpanjaka. Mba hamonjena ny ainy, dia tsy maintsy nanao mody adala izy. Milaza amintsika ny boky manan-tantara ao amin’ny 1 Samoela fa nanoratsoratra teo amin’ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ny somony ny iviny. (Jereo ny 1 Samoela 21:10–15.) Izany no zava-misy. Inona anefa no fihetsik’i Davida?
“Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Jehovah no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly. Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko, ary aoka isika hiara-manandratra ny anarany”. (Salamo 34:1–3).
Teo indrindra, teo afovoan'ny toe-javatra nahatsiravina toy izany, niaraka tamin'ny ainy nihantona teo amin'ny mizana sy ny henatra noho ny tsy maintsy mody adala, Davida nidera an'i Jehovah. Izany no fanati-piderana. Fony izy mbola ambany indrindra, dia nanapa-kevitra ny nanohy hirehareha ao amin’ny Tompo i Davida. Rehefa tsy nisy zavatra hafa azo hireharehana, dia nanapa-kevitra ny hirehareha ao amin’ny Tompo izy.
Avy eo, dia hoy i Davida, “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko, ary aoka hiara-manandratra ny Anarany isika.” Ny fiderana dia mifindra. Raha mianatra midera an’Andriamanitra toy izany isika, dia ho avy koa ny hafa. Fa ny fimonomononana dia mifindra, ihany koa. Raha mimonomonona isika, dia hisintona mpiara-mimonomonona. Tsy maintsy mianatra manatitra fanati-piderana ho an’Andriamanitra mandrakariva isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô. Omeko Anao ny fiderana. Manambara aho fa na inona na inona toe-javatra iainako, dia omeko an’Andriamanitra ny fanati-piderana, mirehareha ao amin’ny Tompo. Hanatitra fanati-piderana mandrakariva aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-361-MLG









