Miantso ny Fitahian’Andriamanitra!

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Ny tso-drano fanaon'ny mpisorona dia mampiharihary fomba fivavahana mahery vaika izay mamoaka ny fankasitrahan'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny hafa. Rehefa midera an'Andriamanitra noho ny amin'ny olona ianao, fa tsy mitady tsiny amin'izy ireo, dia mametraka ny Anarany eo amin'izy ireo ianao ary miantso ny fitsofan-drano manova fiainana avy Aminy.
Ny fara-tampon'ny tso-dranom-pisorona nasaina nolazain'i Arona sy ny taranany tamin'ny zanak'Isiraely dia tonga tamin'ireto teny ireto:
"Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy." (Nomery 6:27)
Matetika, ny vavaka mandaitra indrindra azontsika atao hoan'ny hafa dia ny vavaka fiderana sy fisaorana, miantso ny anaran'i Jesosy Tompo eo amin’izy ireo. Rehefa mametraka ny anaran’i Jesosy amin’ireo izay ivavahantsika isika, dia miantso ny fitahian’Andriamanitra ho azy ireo isika. Vitsy amintsika no mahatsapa ny halehiben’ny fankaherezana ny olona ao amin’ny fanahiny rehefa midera an’Andriamanitra fotsiny isika ho azy ireo. Ampahany lehibe amin’ny fanompoantsika amin’ny maha-mpanelanelana antsika izany.
Misionera niavaka tany Punjab any India ny “Fivavahan’i Hyde” tamin’ny taonjato farany teo, fony mbola teo ambany fahefan’ny Britanika i India. Ny fanompoan’i Hyde dia vavaka; ny zavatra hafa rehetra dia faharoa. Tany am-piandohana, dia nifanena tamina evanjelistra Indiana iray izay noheveriny ho tsy mahomby sy mangatsiaka izy. Raha vao nanomboka nivavaka momba an’io lehilahy io izy, dia hoy izy, “Tompo ô, fantatrao —” saika hiteny izy hoe, “— tena mangatsiatsiaka ny Rahalahy izao sy izao.” Fa nosakanan’ny Fanahy Masina anefa izy tamin’ny Ohabolana 30:10:
“Aza manendrikendrika mpanompo amin’ny tompony”
Ka, dia niova ny fanantonany Rahalahy Hyde. Nanomboka nieritreritra ny zavatra tsara rehetra teo amin’ny fiainan’io lehilahy io izy ary nisaotra an’Andriamanitra noho ny aminy. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nanjary nahazo fahombiazana io lehilahy io tamin’ny naha-evanjelistra azy. Inona no nanova azy? Tsy voampanga tamin’ny vavaka, fa natao fisaorana.
Nampianatra ahy Andriamanitra fa raha tsy afaka misaotra Azy aho noho ny olona iray, dia mety tsy manan-jo hivavaka ho an'io olona io aho. Aleoko tsy mivavaka mihitsy satria mety hitondra ratsy kokoa noho ny soa ny vavaka ataoko. Araka ny voalazan’ny Nomery 6:27 hoe, “Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Isiraely izy, ary Izaho hitahy azy.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô. Omeko Anao ny fiderana. Manambara aho fa tsy “manendrikendrika mpanompo” aho fa mangataka ny fitahian’Andriamanitra ho azy. Hanatitra fanati-piderana mandrakariva aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-365-MLG









