Voavotra tamin'ny Ozona

Dries and Valerie Du Plessis
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
This teaching is not currently available in ខ្មែរ.
Teo amin'ny Hazofijaliana, nisy fifanakalozana masina nitranga izay tsy ho hitan'ny masontsika ara-nofo na oviana na oviana. Noraisin'i Kristy teo amin'ny Tenany ny fanozonan'ny Lalàna izay mendrika antsika, mba hahafahantsika mandray ny fitahiana nampanantenaina an'i Abrahama amin'ny alalan'ny finoana Azy.
Andao hodinihintsika ny toetra sy ny halehiben'ny fanavotana antsika amin'ny alalan'i Kristy. Ny Soratra Masina ho antsika anio dia ny Galatiana 3:13–14:
“Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo”, mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy”.
Ny lalàn'i Mosesy no tian'i Paoly holazaina eto, izay voaresaka amin'ny antsipirihany ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia, izay nilazan'Andriamanitra fa izay rehetra mihantona amin'ny hazo fijaliana dia eo ambanin'ny ozona. Ny teny hoe hazo koa dia midika hoe tapa-kazo manao mitanambokovoko. Ny porofo fa voaozona ny olona toy izany dia mihantona miharihary amin'ny hazo.
Mba hanavotra antsika tamin'ny ozon'ny lalàna, dia tonga ozona ho antsika i Kristy. Hita miharihary izany rehefa nihantona teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Tena nilaina ny nahatonga Azy ho ozona satria ny ozon’Andriamanitra dia manaraka ny fahotana sy ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra.
Ny tsiambaratelon’ny zava-nitranga teo amin’ny toeran’ny hazo fijaliana dia ny fisian’ny fifanakalozana voatendrin’Andriamanitra—zavatra tsy hitan’ny maso voajanahary, fa tsy hita afa-tsy tamin’ny alalan’ny fanambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny Soratra Masina. Lasa ozona i Kristy—Nalainy ny ozona noho ny fahotantsika sy ny tsy fankatoavantsika—mba ho setrin’izany, amin’ny alalan’ny finoana Azy, dia hahazo ny fitahiana azo avy amin’ny Fankatoavany tsy misy ota.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa mba hanavotra ahy ho afaka amin’ny ozon’ny lalàna, dia tonga ozona ho ahy i Kristy. Natao ozona i Jesosy mba hidirako ho any amin’ ny fitahiana, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

ទាញយកដោយឥតគិតថ្លៃ
ព្រះបន្ទូលប្រចាំថ្ងៃនេះអាចទាញយក បោះពុម្ព និងចែករំលែកសម្រាប់ការប្រើប្រាស់ផ្ទាល់ខ្លួន ឬក្នុងព្រះវិហារ។
ទាញយក PDFកូដ: WD-B097-121-MLG









